Fanekem-pinoana ekiomenika

Ny fanekem-pinoana ekiomenika, amin' ny loteranisma, dia ireto tanisaina manaraka ireto: ny fanekem-pinoana nikeana sy ny fanekem-pinoana apôstôlika ary ny fanekem-pinoana atanaziana.

Ny ankamaroan' ny sampana lehiben' ny kristianisma tandrefana dia manaiky an' ireo fanekem-pinoana ireo, dia ny loteranisma, ny prôtestantisma nohavaozina, ny katôlisisma ary ny anglikanisma. Ny fiangonana metôdista maro dia manaiky ny fanekem-pinoana nikeana sy ny fanekem-pinoana apôstôlika. Ny fiangonana ôrtôdôksa tatsinanana dia manaiky ny fanekem-pinoana nikeana fa tsy manaiky ny fanekem-pinoana apôstôlika sy ny fanekem-pinoana atanaziana.


© MMXXIII Rich X Search. We shall prevail. All rights reserved. Rich X Search